Faha-50 taonan’ny AKKA : hotohizana amin’ny “Coupe 50ème” ny fankalazana

Mankalaza ny faha-50 taonany amin’ity taona 2024 ity, ny klioban’ny Akka, taranja karate-do. Hisy ny fifaninanana hoenti-manamarika izany dia ny “Coupe 50ème”, ny 14 sy 15 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’An­ko­ron­drano. Kata sy Kumite ho an’olon-tokana no hikatrohana. Hisy koa ny fifaninanana isam-bondrona, handraisan’ny “style” 4 anjara, araka ny fanazavan’ny Sensei Rajaonarison Christian. Notsiahivin’ny filohan’ny komity mpikarakara fa nasaina avokoa ireo klioba rehetra manerana an’i Mada­gasikara, efa nahazo fankatoavana tamin’ny federasiona sy ny ligy rahateo izy ireo amin’izany. Tsy hisy ny saram-pandraisan’anjara mandritra ity fifaninanana fankalazana ity, izay sambany no nisy. Tsiahivina, efa nosokafana ny volana jolay teo ny fankalazana ary hifarana eny amin’ny Espace Rose By-pass, ny volana oktobra izao. Mano­didina ny 80 amin’izao ny mpikatroka eo anivon’ny Akka ary efa betsaka ny mpianatra nivoaka tao amin’ity klioba ity, anisan’izany ny mpanohana ny fankalazana, i Shahin Cassam Chennai, avy amin’ny Chocolaterie Tsara. Nam­baran’ity farany fa zava-dehibe izany fankalazana ny faha-50 taona izany ka mendrika hotohanana. Anisan’ny manohana ny Akka ihany koa i Ylias Akbaraly, avy amin’ny Fon­dation Akbaraly sy i Shahine Mohamed Reza, avy amin’ny Serviette Pastel.

Mi.Raz

Partager sur: