Fanahimanana Tiaray: “Marin-toerana matoa voafidy hitarika ny Sadc”

“Matoa ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc nanao tolo-kevitra hoe i Mada­gasikara no hitarika ny Sadc, hita hoe firenena efa manana fahamarinan-toerana politika izany i Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, ny amin’ny handraisan’i Madagasi­kara ny fitarihana ny Sadc sy fihaonana an-tampony amin’izany amin’ny 2025. Raha firenena mikorontana, tsy hanoloran-kevitra hitarika ny Sadc. Tombony voalohany ho an’i Madagasikara ny fitantanana ny Sadc, tafiditra ao anatin’ny Troïka. Tena mahazo tombony, satria tena ao anatin’ny hoe mpandoa-bary. Izay eo amin’ny lalàna sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Hitan’ny olona ny fisian’i Madaga­si­kara, mihafantatra kokoa. Eo amin’ny lafiny toekarena, ny fivezivezena malalaka eo amin’ny varotra sy ny fifanakalozana ao anatin’ny Sadc dia hahazoana miditra bebe kokoa ao anatin’izay ny fahazoan’i Madagasikara ny fitantanana ny Sadc.
Milaza ny And. 10 ao amin’ ny satan’ny Sadc, nananganana azy tamin’ny 1992, fa fidina izay firenena hitarika ny Sadc. Mandeha mihodina isam-pirenena ny fitarihana. Misy paipaika tokony harahina izay. Ny fanatanterahana ny fifidianana izay filoha hitarika ny Sadc dia misy ny fivorian’ ireo firenena eo anivon’ny Sadc, ny 17 aogositra lasa teo ny tamin’ity taona ity. Tao anatin’izay no nifidianana sy nanapahana fa ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara no ho filohan’ ny Sadc amin’ny 2025. Ny firenena mandray ny fivoriana an-tampony no lasa filohan’ny Sadc. Ny sekretera mpanatanteraka no manolo-kevitra firenena maromaro dia amin’izay no hifidianana izay hitarika ny Sadc.

R. Nd.

Partager sur: