FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Antananarivo, Rinah Rakotomanga, fa vonona sy miasa ny ekipany ka tsy misy atahorana ireo mpifaninana aminy. “Efa ela isika no naniry hilatsaka ben’ny Tanànan’Antananarivo saingy izao vao tanteraka”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy miaraka amin’ny fitondrana amin’izao intsony ny tenany nefa tsy mpanohitra ihany koa.

Efa ao anatin’ny fifantenana ireo ho kandidà ben’ny Tanàna ny Irmar any amin’ny distrikan’i Vohipeno. “Tsy anavahana izany fa afaka mirotsaka avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny vovonana, ahitana ny TGV, Hiaraka isika, Freedom…”, hoy ny mpitarika. Nanteriny fa anjaran’ny aty amin’ny foibe ny manapaka farany ireo ho kandidà.

Nasongadin’ny eveka, ny Mgr Andrian­tsoa­vina Jean Pascal, nanoloana ireo tanora analiny niatrika ny Kongresy eokaristika any Antsiranana, ny fanitarana sy ny fahotana. Anisan’izany koa ny tsy fihainoana an’Andriamanitra. Eo koa anefa ny fifampihantsiana, ny fihainoana vavan’olona. Ny fanitaran-dresaka sy ny tsaho, araka ny nambarany.

Mikendry ny hahazoana ben’ny Tanàna maro amin’ireo kaominina miisa 16 eny Avaradrano ny Firaisankina, amin’ny alalan’ny Tim. Efa nanomboka ny herinandro teo ny fisafidianana ireo ho kandidà amin’izany, niarahana tamin’ny depiote, i Avotra. Na izany aza, nambarany fa misy ny masontsivana sy fepetra napetraka ho an’ireo te hirotsaka hofidina.

Partager sur: