Fiarovana amin’ny nendran-gidro : nahazo fatram-baksiny voalohany i RDC

Firenena afrikanina 13 amin’izao fotoana izao no ahitana ny valanaretina nendran-gidro na Mpox. Ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ny 90% amin’ny tranga 3 500 voatily, araka ny nambaran’ny Sampan­draha­rahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny herinandro lasa teo. Miovaova isaky ny firenena ny tahan’ny olona voatily fa marary. I Burundi sy RDC no firenena roa nahatilina tranga mihoatra ny 50 tamin’ity taona ity. Ho an’i Burundi, 170 ny tranga izay nanomboka niseho ny volana jolay lasa teo. Ankoatra ireo firenena roa voalaza, efa nahitana tranga koa ny any Kenya sy Rwanda ary Ouganda.
Tonga ny faran’ny herinandro teo, tany RDC, ny fatram-baksiny fiarovana avy any Bélgique sy Japon ary Eta­zonia, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka kongolais, Dr Roger Kamba. Mila fatra 3 500 000 ny firenena, hoy izy.
Voalazan’ny mpikaroka fa mahomby amin’ny 85% ny vaksiny miaro amin’ny aretina nendra. Efa nitsahatra tamin’ ny faran’ny taona 1980 ny fanaovam-baksiny miaro amin’ ny aretina nendra, rehefa nambara fa fongotra ity aretina ity. Vokatr’izay, ireo olona eo anelanelan’ny 40 -50 taona (arakaraka ny firenena) amin’izao fotoana izao, dia marefo kokoa manoloana ity valanaretina ity. Miara-miasa amin’ny mpamokatra vaksiny miaro amin’ny nendran-gidro (MVA-BN) efa nankatoavina ny taona 2019 ny OMS, ankehitriny. Tanjona ny hanafainganana ny fahazoana sy ny hanapariahana ity vaksiny ity.

Vonjy

Partager sur: