FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo

Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista…

Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mi­fanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora misotro ronono, Rabehomanana François Vivier, ny tranon’io katekista voatafika io. Nivoaka ny trano, rehefa naheno ny antso vonjy nataon’ilay katekista, io pastora io. Nivoaka hanavotra azy tokoa ny pastora François Vivier. Naratra mafy noho ny herisetran’ireo dahalo izy roa lahy niaraka tamin’ny vadin’ilay katekista sady mitaiza kely. Nentina haingana namonjy hopitaly ao Mampikony ireo naratra saingy namoy ny ainy teny an-dalana ireto mpitondra fivavahana ireto. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ny vadiny izay nokapain’ny dahalo ny antsibe. Andrasana ao amin’ny fiangonana Andranomadio ny nofomangatsiakan’ireto mpitondra fivavahana ireto. Nivoaka tao amin’ny andiany Salt 18L ny taona 1984, ny pastora Vivier. Efa tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary ka nanao fanarahan-dia ireo dahalo. Voalaza fa nisy entana lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: