INDRAY MIJERY

Nandray ireo mpianatra avy ao amin’ny Oniversite Emit Fianarantsoa, nitsidika ny birao foiben’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, mandritra ny “voyage d’études” tanterahin’izy ireo eto Antananarivo, ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny ekipany. Mpianatra M1 amin’ny lalam-piofanana Management décisionnel izy ireto, izay miisa 90. Nisy ny famelabelarana momba ity sampandraharaha ity sy ny fitsidihana ny Centre national de coordination des opérations d’urgences izay anisan’ny iandraiketany .
Maherin’ny telopolo ireo tanora tonga nisoratra anarana hanaraka ilay fanofanana ho teknisianina momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, nandritra ny varavarana misokatra natao tao amin’ny LTP Toliara. Eny amin’ny LTP Alarobia, Antananarivo, indray ny fotoana, amin’ity herinandro ity. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ary ny Giz ny tetikasa.
Hametraka vato fehizoro hanorenana Amphi­théâtre vaovao ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga ny mpitantana. Notokanana ireo fotodrafitrasa vaovao ka nisy ny fanatanterahana Sorona masina tao amin’ny grand-Amphi Campus Ambondrona, omaly. Teo koa ny fotoam-pivavahana lehibe nitondrana am-bavaka ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny ILC-SS sy ny Ecole de tourisme, ao an-toerana ihany.
Mijanona tanteraka ao anatin’ny volonandro ririnina ny toetry ny andro eto Madagasikara, ato anatin’ny roa andro, hoy ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Hahery kosa ny ranomasina eo anelanelan’ny tanjona Vohimena sy Taolagnaro sy eo anelanelan’ Antalaha hatrany Taolagnaro, hatramin’ny anio atoandro.

Partager sur: