Lozam-pifamoivoizana: fiara nirimorimo nitrongy trano

Notrongisin’ny fiara ny tranon’olona iray eo Soarano, ny zoma alina hifoha sabotsy teo. Noho ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza.

Vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpamily no nahatonga ny loza satria tsy voafehiny intsony ny familiana noho ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra. Nifatratra tany amin’ilay trano fivarotana ny fiara sady tafahanika teny amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara noho ny dona mafy. Voalaza fa nanao fihetsika tsy mendrika sady nanonona ny toeram-piasany ilay mpamily tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ity mpamily namoa-doza ity. Manoloana izany indrindra, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny minisitera iasany momba ny fandikan-dalàna nataony.

Tsy mandray karama avy hatrany
Voamarina fa ny mpamily nitondra ilay fiara nitera-doza dia mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, miasa eo anivon’ny Vaomieram-paritry ny tsenambaro-panjakana Anala­manga. Noho ny toetra tsy mendrika nasehon’ity mpiasa ity, izay nanononany ny anaran’ny minisitera tao anatin’izany loza izany, dia nanome baiko hentitra ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny hanapahana avy hatrany ireo vola raisiny isam-bolana, ankoatra ireo sazy eny amin’ny fitsarana sy ny sazy eny amin’ny rafitra mpanasazy ny mpiasam-panjakana (Codis Fop). « Tsy azo ekena ny toetra tsy mendrika toy izao ary mitarika sazy. Koa manentana ireo mpiara-miasa tsy hampiseho toetra mety hanohintohina ny anaran’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana », hoy hatrany ny voalazan’ny fanambarana.

J.C

Partager sur: