Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny 21 aogositra 2024 lasa teo, ireo jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana mpivarotra saribao teny Ambohimanarina. Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) no nisahana ny fanenjehana ireto jiolahy ireto. Nanafika toeram-pivarotana saribao teny Anosivavaka Ambohimanarina izy ireo, ny 16 aogositra teo. Nirongo basy mahery vaika sy antsy ireto olon-dratsy ireto nandritra ny fanafihana. Nambanan’izy ireo basy sy antsy ilay mpivarotra ka notereny hanome ny vola rehetra tao amin’ny fitoeram-bola. Lasan’ireo mpanafika ny vola mitentina 19 tapitrisa Ar. Tsy afa-nanoatra ilay mpivarotra saribao manoloana ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ireo jiolahy. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny polisy ireo jiolahy no nahafantarana fa vadin’ilay ramatoa mpiambina ao amin’io fivarotana saribao io ihany ny iray amin’ireo mpanafika. Taorian’ny fitarainana voarain’ny polisy, niroso tamin’ny fikarohana ny CSP6 ka niafara tamin’ny fahatrarana ireo olon-dratsy, dimy andro taty aorian’ny fanafihana.
J.C