Niafina tany anaty fasana : maty voatifitry ny zandary i Lelin sy i Leja

Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Foulpointe ny jiolahy roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lelin sy i Leja, raindahiny amin’ny fanafihana. Nisitrika tao anaty fasana cimetière ireto jiolahy ireto mialoha ny hanao fanafihana. Teo am-piomankomanana ny hanao ny asa ratsiny ry zalahy no nisy nahatsikaritra tao amin’io fasana io. Nisy nampandre avy hatrany ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia sy ny fisamborana azy ireo. Teo am-pisamborana azy ireo ny zandary no nanohitra tamin’ny fitaovam-piadiana izy roa lahy ka voatery nitifitra ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano ireto jiolahy nampihorohoro tao Foulpointe ireto.
Tonga nanatrika famadihana tao Fandriana, fokontany Tsaravavaka, kaominina ambanivohitr’Andranomanelatra, Antsirabe II koa, afakomaly i Jean Kely, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana miharo vonoan’olona. Efa nokarohin’ny zandary hatry ny ela ity jiolahy ity saingy tafaporitsaka hatrany. Nidina haingana tao amin’ity toerana nisy famadihana ity ny zandary nisambotra azy ka noraisim-potsiny tao izy. Nentina tamin’ny moto nihazo ny biraon’ny zandary izy mba hanaovana fanadihadiana. Niporitsaka tampoka teny am-pandehanana avy eny ambony moto anefa ny lehilahy ka voatery nitifitra ny zandary. Noho ny fahaverezan-dra be loatra, tsy avotra intsony ny ainy.

J.C

Partager sur: