Taekwondo : mpikatroka 33 mianadahy handalo fifantenana farany

Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao ny fampivondronanana farany amin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja taekwondo, sokajy zandriny Junior, lahy sy vavy. Miisa 33 mianadahy izy ireo, izay lehilahy ny 15 ary 18 ny vehivavy, no voatazona hiatrika izany, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona ma­lagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Tsiahivina fa voafantina tamin’ny lalao andrana “Kyorougui”, izay natao tetsy amin’ny foibe CFFamma Nanisana, ny zoma lasa teo, izy ireo. Mpilalao taekwondo 46 mianadahy, 23 lehilahy sy 23 vehivavy, no niatrika izany.
Nilaza ny Tale teknika na­sionalin’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMT­KD), i Dimbiheriniaina Pharlin, omaly, fa ny sokajy -44kg, -46kg, -49kg, -52kg, -59kg,-63kg, ny an’ny vehivavy, ary ny -45kg, -48kg, -51kg, -55kg, -59kg, -63kg kosa ho an’ny sokajy lehilahy. Ahitana atleta roa na telo eo ny sokajy iray.
Tsara marihina, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy Junior, lahy sy vavy, atao any Korea i Madagasikara, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao.
Ampahatsiahivina ihany fa tany am-piandohana, miisa efatra ireo ligy nahatonga solontena tamin’ity hetsika fampivondronanana ity. Ani­san’izany ny ligin’Ana­la­man­ga, Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra.

Fitia Randria

Partager sur: