Fiantsana tononkalo tetsy amin’ny CGM. 15 tamin’ireo 20 mianadahy nandray anjara no tafakatra amin’ny dingana famaranana. Nahababo ny seho sy fiangalian’izy ireo ny tononkalo teny ambony sehatra ka antony nahatafakatra azy ireo. Fomba iray hampirisihina ny olon-drehetra ho tia sy hankafy ny tononkalo ny hetsika tahaka izao. Tanjona ny hanomezan-danja sy hanatsarana hatrany ny fiantsana tononkalo eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra ny hetsika nokarakaraina.
Horonantsary Victoire Rasoamanarivo. Nalefa voalohany tetsy amin’ny Ecar Analamahitsy, ny sabotsy maraina teo, ny horonantsary mitantara ny fiainan’i Victoire Rasoamanarivo. Vehivavy manana ny lanjany sy ny tantarany eo anivon’ny Fiangonana Katolika i Victoire Rasoamanarivo. Nahafahana nampiseho ny tantara marina sy ny mafy izay niainany kanefa mifono anatra ho an’ny mpijery ihany koa. Nandritra ny 5 volana ny fanodinana ity horonantsary ity.
Manana ny fomba sy ny fadiny ny olona rehetra! Tsy tazana loatra intsony io any amin’ny firenena heverina ho mandroso. Ny mahavariana, manaraka izany ihany koa ny firenena lazaina fa mahantra. « Io fanarahana ny fomba sy ny fady io no tsy mampandroso antsika », hoy ny mponina any amin’ireny firenena osa ireny. Io no antony hanariany ny fombany sy ny fadiny… Ny mahavariana, na mankahala ireny fomba sy fadiny ireny aza ny firenena osa, toa tsy mety manan-karena?
Anisan’ny ezaka nimasoan’ny sampana fikarohana, eo anivon’ny foibe fampianarana Zanabaliha ny hanome lanja ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Fantatra izao fa amin’ny faran’ny herinandro izao no haneho ny ampahany amin’izany voka-pikarohana izany ry zareo. « Ny fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy maha olona » no lohahevitra nofidina ho velabelarina amin’izany.