Tarika Mage 4 sy i toky : nahafapo ny mpankafy ny seho voalohany

Tonga maro nanatrika ny seho natolotry ny tarika Mage 4 tetsy Mahamasina ireo mpankafy azy ireo hatramin’izay. Feno tanteraka ny Kian­jan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina, omaly. Fotoana nampisehoana sy nihiran’i Toky voalohany teo anatrehan’ireo mpankafy. Nampitondraina ny lohateny hoe : “Hatramin’ny farany”. “Nateraka ho ato amin’ny tarika Mage 4 ny tenako ary hatramin’ny farany ny fiarahana”, hoy izy teny ambony sehatra. “Nahafapo tanteraka ny seho satria voafehy sy nahatafavoaka ny fihirana ny hiran’ny tarika Mage 4 hatramin’izay i Toky”, hoy ireo mpankafy. Nambaran’ny olo­na nijery hatrany fa somary natahotra sy nanahy kely ihany teny am-piandohana, nientana nefa ny fo rehefa nahavita nihira ity “lead vocal”-n’ny tarika ity.
Nampiavaka iny seho voalohany iny ny fihirana ireo hira taloha noforonin’ny tarika, izay nankafizin’ny mpijery maro tonga teny an-toerana. Maro ny hira tsy afaka am-bavan’ny maro, toy ny “Taratasy farany”, “Tsy hitanao ny aleha”, “Niova ny fitia”, “Nandao ahy”, “Fiderana”, “Fo vaovao”, “Tsy sahy”… Nanomboka tamin’ny telo ora mahery kely teo ny fampisehoana notanterahin’izy ireo. Nifarana tamin’ny 5 ora sy 11 minitra ny tapany voalohany. Niditra tamin’ny 5 ora sy sasany teo kosa ny fizarana faharoan’ny fampisehoana. Taorian’ny hetsika natao omaly, hisitraka izany tsy ho ela koa ny any Mahajanga, amin’ny faran’ity volana ity.

Mino

 

Partager sur: