Teknika Riz Plus : voafaritra ny paikady hanaovana ny asa

Nankatoavina nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa Riz Plus ny paikady hanatanterahina ireo asa atao any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia, ho an’ny taom-piasana 2024-2025. Hojerena ny fampiroboroboana ny fanajariana sy ny fitantanana ny sahandriaka iarahana amin’ny vondron’olona ifotony. Ao anatin’izany ny famolavolana ireo drafi-panajariana sy ny fanantanterahana izany, ny fambolen-kazo sy ny fiadiana amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany ary ny fampiroboroboana ny fambolena agroekolojia. Hamafisina ny fitantanana maharitra ny fotodrafitrasa sy ny fanondrahana ny lemaka, toy ny fanarenana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa simba. Ao ihany koa ny fitantanana, fikojakojana, fiarovana ny fotodrafitrasa fanondrahana. Hamafisina ny fahafaha-miatrika ny foto-pivelomana sy ny rojom-pihariana, toy ny famatsiana ny fomba famokarana manaraka ny toetr’andro sy ny rafitra ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fomba famatsiana manaraka ny teknolojia. Hamafisana ny rojom-pihariana amin’ny alalan’ny famatsiana hifanarahana ary ny fanarenana ny lalana eo anivon’ny lemaka mifanaraka amin’ny fenitra misy.

Henintsoa H.

Partager sur: