TICAD 2024 : zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ i Madagasikara sy i Japon

Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Japon. Voaresaka nandritra ny “Ticad 2024”, natao tany Tokyo, ireo ezaka efa vita sy ny vina hapetraka.

Tontosa ny 24-25 aogositra teo, tany Tokyo, Ja­pon, ny fivorian’ireo minisitra ao anatin’ny “Ticad”. Nandray anjara sy nitarika ny delegasiona malagasy tany an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Voaresaka nandritra ny lohahevitra « fanamafisana ny fifandraisana » ny fiaraha-miasan’i Ma­da­gasikara sy i Japon. « Za­va-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Japon, indrindra amin’ny alalan’ny tetikasa lehibe toy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, nandritra ny dinika niarahany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japonais, Yoko Kamikawa. Mikendry ny hahatonga ny seranan-tsambon’i Toamasina ho kihondalana stratejika aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy Afrika tapany atsimo amin’ny taona 2026 ny tetikasa. Noho izany, andry ivon’ny fifandraisana an-dranomasina, na eo amin’ny sehatra nasionaly na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tetikasa.

Fotodrafitrasa

Voaresaka ihany koa ireo sehatra mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny Ma­lagasy. Notsindrina manokana ireo ezaka vitan’i Madaga­sikara nanatsarana ny fifandraisana an-dranomasina sy ana habakabaka ary ny sehatry ny niomerika eto amintsika. Anisan’izany ny fahatongavan’ny kaompaniam-pitanterana vaovao, Emirates, izay hanao ny sidina eto Madagasikara, manomboka ny volana septambra izao. Eo ihany koa ny fametrahana ny tolotra ara-barotra Starlink eto amin’ny firenena, izay manome vahaolana amin’ny fampiasana internet. Ankoatra izay, fa­namby iraisan’i Madagasi­kara sy i Japon ny ady amin’ny loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Zava-dehibe, araka izany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa hananana fotodrafitrasa maharitra, izay laharam-pahamehana ho an’ny firenena roa tonta, hoy hatrany ny Minisitra.

Henintsoa Hani

Partager sur: