Vita ny dingana faharoan’ny fiadiana ny “Masters 2024”, izay atao any France. Tsy ao anatin’ireo ekipa telo voalohany ny Malagasy. Hatao ny 28 aogositra ho avy izao ny dingana manaraka.
Taorian’ny fahavitan’ny dingana faharoa natao tany Nevers, ny 22 aogositra lasa teo, mitana ny laharana fahefatra ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny «Masters 2024», taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ny Quaterback-France. Vao isa 9 monja, araka izany, no azon’i Madagasikara. Raha tsiahivina, tsy mbola nahazo dingana mihitsy ry zalahy aloha hatreto ary teo amin’ny manasa-dalana ny lalana lavitra vitany, tamin’ity dia ny tao ST Gilles-Croix de vie, ny 27 jona lasa teo.
Mila miady mafy, noho izany, Ny Havana sy i Baloti ary i Hery (Monde) eo amin’ny dingana fahatelo hatao ao Romans-sur-Isère, ny 28 aogositra ho avy izao, raha te hiatrika ny «Final four». Tsiahivina fa miady io toerana fahefatra io avokoa ireo ekipa telo aorian’i Madagasikara dia ny an’i France 1, nahazo isa 7. Eo koa ilay Malagasy, i Christian Andriantseheno, manana isa 4, ary i Rousseau, isa 2, mitana ny rambony aloha hatreto.
Efa tafita amin’izany «Final four» izany ny Wild-card, ahitana ilay Italianina, Diego Rizzi sy i Dylan Rocher ary i Robineau, nahazo isa 21. Izy ireo no mitarika ary nandrombaka ny dingana faharoa tao Nevers. Manaraka azy, ny ekipa Helfrick, isa 20. Mangotraka tanteraka ny azy ireo eo amin’ny fiadiana ny laharana voalohany amin’io dingana fahatelo io. Eo amin’ny laharana fahatelo ry zareo France 2, mahazo isa 18.
Tsiahivina fa hotanterahina ao Saintes-Marie-de-la-Mer, ny dingana fahefatra sady hanaovana ny «final four 2024», amin’ity «Masters 2024», ity.
Tompondaka