VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 2 093,1 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny Fadintserana tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona. Manodidina ny 4 687 miliara Ar kosa ny vina napetraka tao anatin’ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Tokony ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana solika kosa ny ampahefatr’izany.

Hanohy sy hanatanteraka ireo vina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny minisitra vaovao Stéphanie Delmotte. Io ny lahateniny nandritra ny fifamindram-pitantana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindramalo Tahina, ny zoma teo.

Nahatratra hatrany amin’ny 5 702,7 kg ireo vokatra horita azo nandritra ny fanokafana ny tahiry horita tamin’ireo tanàna 11 ao amin’ny distrikan’Am­pa­nihy sy Toliara II, ny herinandro teo. Manodidina ny 4,8 kg ny salan-danjan’ny horita iray raha toa ka milanja 6 kilao ny lehibe indrindra.

Hanodina akora fototra 100 kilao isan’ora ilay milina mpamokatra Chips ao Vohémar. Kendrena ny hihodinan’ny orinasa ao anatin’ny iray volana. Nisy ny toromarika nomena ireo mpikambana ao anatin’ny kaoperativa misitraka ny tetikasa Odof hitsinjarana ny asa fitantanana. Fantatra fa mahatratra hatramin’ny 100 ireo mpikambana ao anatin’io kaoperativa io.

Partager sur: