Ampanihy: Osy 1 278 nozaraina tamin’ny mpiompy

Anisan’ny manohana ny mpiompy ny tetikasa Fandroso. Nisitraka ny tohana ny tantsaha any amin’ny distrikan’Ampanihy, toerana tena ahitana osy.

Miisa 247 ny mpahazo tombontsoa, mivondrona anaty fikambanan’ny mpiompy miisa 20, nisitraka osy miisa 1 278, tany amin’ny kaominina maromaro anaty ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny 19 aogositra teo. Anisan’izany ny kaominina miisa fito, Ankiliabo, Beahitse, Ejeda, Ampanihy, Maniry, Ankilizato ary Antaly.
Nizarana fanafody Ivermectine 50 Cc miisa 56, vitamina AD3E 100 Cc miisa 44, fanindromana miisa 24. Teo koa ny sakafom-biby milanja 1 460 kilao.
Tohana avy amin’ny tetikasa Fandroso ity hetsika ity, ao anatin’ny Fandaharanasa Rindra, tohanan’ny Vondrona eoropeanina ara-bola, ary tanterahin’ny Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana (FDA), eo ambany fiahi­an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae).

Tetikasa 4 000
Nanomboka ny taona 2020 ny tetikasa Fandroso, ary maharitra 36 volana. Manodidina ny 4 000 ny tetikasa hatao manerana ny faritra miisa 22. Miisa 250 000 ny mpamokatra madinika tantanin’ny fianakaviana (EAF) mpahazo tombontsoa, ka vehivavy ny 50%, tanora ny 40%.
Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny famokarana sy ny vokatra ary ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Voakasik’iza­ny ny fanohanana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Misy ny fi­zarana kojakoja sy fitaovam-pamokarana, ny biby fiompy sy sakafo, fanafody, sns, toy izao natao tany Ampanihy izao, toerana tena ahitana osy maro eto amintsika.

Mitotaly 20 526 315 euros ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny 19 500 000 euros ary avy amin’ny fanjakana malagasy ny 1 026 315 euros.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: