Niteraka resabe sy fifanankianana izaitsizy ny fanambarana nataona pasitera iray, afakomaly, teny Antsonjombe. Rakitra sy fanomezana ho an’Andriamanitra no foto-dresaka. Raha ny tena marina, tsy natao hiadiana hevitra ny resa-pinoana. Kanefa tsara ihany ny mifampitaiza sy mifanoro. Tsy hoe manam-pahaizana momba ny teolojia akory fa manaraka ny lojikam-piainana.
Andaniny, tsy misy tokony hakana fahasorenana izay filazana fa mila mandoa misimisy raha te hahazo fitahiana sy valim-bavaka. Ilay fahihirana amin’ny rakitra rahateo, hoy izy, no mahafadiranovana. Ahoana tokoa no hanomezana zavatra goavana ho an’ny olona zara raha mahafoy 100 Ar sy 200 Ar? Misafidy ny faran’ny kely, ny an’ny sasany aza taim-paosy sisa avy nirevena no kajiana hatolotra any am-piangonana. Tsy ny sora-bola no olana fa ilay finiavana sy ny toe-po na toe-tsaina hoenti-manolotra.
Ankilany, iza tokoa amin’ny antokom-pivavahana na mpitondra fivavahana no mahasahy milaza fa tsy mivoy resa-bola? Firifiry amin’ny milaza ho matihanina amin’ny fitondrana fivavahana no tsy maintsy hanorenana trano, hividianana fiara ho fanomezana. Misy impiry ny voka-dehibe sy ny fitadiavam-bola amin’ny endriny samihafa.
Raha fehezina, resaka boribory vetaveta ny mahakasika ny finoana sy ny vola. Tsy misy afa-tsy ny fifanajana avy amin’izay milaza ho mpitarika fiangonana na antokom-pivavahana. Samy manana ny ady fiadiany io. Misy ny mampibaribary ny azy, misy ny misitritsitrika. Amin’ny ankapobeny, any amin’ny mpino ny baolina. Malalaka ny safidiny.
Na izany aza, manana anjara andraikitra goavana amin’ny zava-misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Tokony hisy ny arofanina amin’ny fanorenana ireny karazam-piangonana “bizna” ireny. Tokony hafainganina ihany koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka mba tsy hampaharefo azy. Ny vahoaka mohaka rahateo no mora handairan’ ny fandemen-tsaina mitondra fahantrana lalina.
r.r