Fampiroboroboana ny famokarana : misokatra ny fangatahana famatsiam-bola

Maimaimpoana ny tohana ara-bola omen’ny Tahirim-bola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA) ho an’ny mpamokatra iray sy vondrona tantsaha hanatsarana ny fidiram-bolany sy ny toekarena.

Tohana ara-bola hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ho an’ny tantsaha iray sy famatsiam-bola tafakatra ha­trany amin’ny 60 tapitrisa Ar ho an’ny vondrona tantsaha. Ireo no tohana omen’ny Tahirim-bola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA) sy ho fampandrosoana ny lalam-pihariana ataony. Ankehitriny, miso­katra ny fangatahana fama­tsiam-bola ho an’ireo mpisehatra maniry ny hisitraka ny fandaharanasa eo amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Noho izany, afaka manatona ireo biraon’ny FDA akaiky azy sy mameno ny lasitry ny fangatahana ireo liana rehetra. Mai­maimpoana ny tohana saingy mila mitondra ny anjara birikiny ao anatin’ny tetikasa ireo maniry hisitraka izany. Tanjona ny hampitombo ny vola miditra ho an’ny tsantsaha sy hampiroborobo ny toekarena.

Famokarana maharitra
Mandrisika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy ao anatin’ny famokarana maharitra ny Tahirim-bola ho fampiroboroboana ny famokarana. Anisan’ireo nisitraka tohana ara-bola, tamin’ity taona ity, ny fikambanana Tantsaha miara-mandroso (TMM), izay ahitana vehivavy 20 amin’ireo mpikambana 27. Imasoan’ny fikambanana ny fambolena legioma sy voankazo ary ny teknika agroekolojika. Nanohana azy ireo kosa ny tetikasa Fandroso, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Ankoatra izay, laharam-pahamehan’ny FDA ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekaren’ireo mpisehatra mba hiantraika mivantana eto amin’ny firenena.
Tsiahivina fa mitentina hatrany amin’ny 54 miliara Ar ny tohana ara-bola nataon’ny FDA tamin’ ireo tetikasa 32 520 nahazo izany hatramin’ny taona 2016. Miisa 256 992 kosa ireo tantsaha nisitraka ny tohana ara-bola.

Partager sur: