Miaina kely ny mpanjifa! Nidina ho 4 500 Ar ny kilaon’ ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Omaly no nahitana izany fihenam-bidy izany, raha mbola manodidina ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 500 Ar ny kilao, ny herinandro lasa teo.
Tsiahivina fa nanomboka ny fiandohan’ity taona 2024 ity no tena nidangana ny vidin’ny tongolobe. Efa nisy fotoana tafakatra hatrany amin’ny 7 500 Ar ny kilao ny volana mey sy jona teo. Nambaran’i Sitraka, mpivarotra etsy Andravoahangy, fa vidiany 3 500 Ar hatramin’ny 4 000 Ar ny kilao any amin’ny mpamongady.
Samy ahitana mpamongady ny eny Andravoahangy sy eny Anosibe. Nilaza ny mpamongady iray eny amin’ny tsenan’Andravoahangy fa avy any Mampikony ny fiavian’ireo tongolobe amidiny, toerana anisan’ny tena mpamokatra. Anisan’ny miakatra tsikelikely ihany koa ny avy any Morondava sy Toliara. Amin’ny volana desambra sy janoary kosa vao vokatra ny avy any Ambatomanoina, ka tsy mbola midina ny vidiny any am-potony.
Njaka A.