INDRAY MIJERY

Hanomezana sehatra manaja ny tandrohasina sy ny fehezam-pitsipika amin’ny lafin’ny fahasalaman’ny saina sy ny manodidina ny asan’ny « psychologue », mampahatsiahy ny besinimaro ny Holafitra nasionalin’ny psychologue eto Madagasikara fa ny anarana maha «psychologue » dia arovan’ny lalàna ary ny anarana «psychothérapeute» kosa natokana ho an’ireo «psychologue» sy mpitsabo nahazo fiofanana manokana. Ny «psychologue» sy ny «psychothérapeute» misoratra ao amin’ny Holafiny avy ihany no afaka misehatra eto Madagasikara.
Ho an’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa vaovao, mazava ny toromarika sy ny fanamby napetraky ny filoham-pirenena taminy. Fametrahana ireo tanora malagasy ho fanoitra antoky ny fampandrosoana fa tsy ho sakana. Ilaina ny mamorona asa mifanaraka amin’izay fianarana sy fanofanana norantovin’ny tanora izay hahafahany mampandroso ny firenena. Nanamafy izy fa hahazo fiofanana hamoronana asa velon-tena mba tsy ho vesatra eo amin’ny fiarahamonina ny vehivavy.
Anisan’ny nitondra am-bavaka ho an’ny firenena ny mpino rehetra eo anivon’ny fiangonana Vahao ny Oloko ny sabotsy lasa teo, tetsy Antsonjombe. Hetsika fanao isan-taona, tsy ho an’ny mpino eo anivon’ny trano fivavahana irery fa fotoan’Andriamanitra hamonjena an’i Madagasikara io hetsika io, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Lohahevitra tamin’izany ny hoe: “fanamby lehibe”. Tanjona ihany koa ny hahafahana manetsika ny mpino kristianina rehetra amin’ny ara-panahy sy hamonjena ny olon-drehetra, indrindra ny firenena malagasy. Nisy ny toriteny mahery vaika sy vavaka ho an’ny marary ary ny manana olana teny an-toerana.

Partager sur: