Kaominina Antananarivo Renivohitra: PDS vaovao Ramanantsoa Harilala

Nametra-pialana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard. Nasolo azy, mandray ny asany avy hatrany Ramanantsoa Harilala.

Tsy afaka miandry ny raharaham-panjakana! Notendrena omaly, ny filohan’ny delegasiona manokana vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ra­manantsoa Harilala. Nan­dimby an-dRamanambitana Richard izy, izay nametra-pialana noho ny antony ara-pahasalamana. Mandray ny asany avy hatrany izy noho ny hamehana sy ny filana maika an’Antananarivo. Laharam-pahamehana rahateo ny fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara.
Marihina fa hisahana ma­nokana ny raharaha maika rehetra eo anivon’ny kaominina izy ka hiantoka ny fampandehanan-draharaha anatin’ny maha matihanina azy. Ani­san’ny andrasana aminy ihany koa ny famahana maika ireo olana sedrain’ny tanàna. Anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna, ny filaminam-bahoaka, ny fotodrafitrasa, ny fivezivezena an-tanàn-dehibe, ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ary ny fampandrosoana ny tanàna amin’ny fampiroboroboana ny teknolojia vaovao.
Ankoatra izay, anisan’ny andrasana aminy ny fanohizana ny asa rehetra nataon’ny teo aloha. Toraka izany ny tsy maintsy ahitana taratra ny fahaizany mitantana: fanatsarana ny kalitaon’ny asa atolotra ny mpampiasa ny raharam-panjakana eny anivon’ny rafitra an-tanan-tohatra isan-tsokajiny, ny fiantohany ny fandraisana anjaran’ny mpiantsehatra rehetra mahakasika ny asa isan’ambaratongany.

Herijika ho azy
Anisan’ny efa kandidà ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny taona 2015. Po­rofon’ny finiavana nananany hoenti-mampandroso ny renivohitr’i Madagasikara izany. Nambarany rahateo fa anisan’ny olom-pirenena manana adidy amin’ny tanàna izy. Ny fanendrena azy dia herijika goavana ahafahany manantanteraka izany. Miavaka amin’ny fahaiza-mitantana rahateo ny PDS vaovao. Manana traikefa maro amin’ny fitarihan’olona izy na amin’ny sehatra sosialy na toekarena.

r.r

Partager sur: