Milaza fa marary ny zanany: Tratra ny ramatoa mpisoloky amin’ny facebook

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe ny renim-pianakaviana iray mpisoloky amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Lazainy fa marary ny zanany ka mangataka tolo-tanana izy…

Noraisim-potsiny teny an-dalana hamonjy hopitaly fiterahana ao Foulpointe, omaly, ny renim-pianakaviana iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta anaty tambajotran-tserasera facebook. Misoloky nampiasa ny zanany salama tsara izy ka lazainy fa marary. Nahazoany volabe izany ka nahatongavan’izy mianaka tany am-pitandranomasina, ny taona 2020. Nolazainy tamin’ izany fa tsy salama ny zanany ka nanangonany fanampiana am-pitaka tamin’ny facebook. Nisy fikambanana mpanao asa soa sy manampy ireo zaza tsy salama mila fitsaboana any ivelany nanome fanampiana azy mianaka. Fantatr’io fikambanana io fa fitaka avokoa ny ambadik’ity raharaha ity satria salama tsara ilay zaza rehefa nataon’ny mpitsabo ny fitiliana azy nony tonga tany am-pitandranomasina.
Niverina nanohy ny asa ratsiny…
Vokany, voatery nalefa niverina taty Madagasikara izy mianaka ny 16 jolay 2019. Nanomboka teo, nampiahiahy tanteraka ny momba ity renim-pianakaviana ity. Tsy nijanona teo anefa ny asa ratsiny fa mbola nitohy ihany nony tonga teto an-tanindrazana izy. Milaza ho mila fanampiana hatrany izy miaraka amin’ny taratasy valim-pitiliana hosoka. Marobe ireo olona tsy nahafantatra no nangoraka azy ka nandrotsa-bola tokoa ho fanampiana azy mianaka. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava izy ka naiditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora, ny novambra 2020. Taorian’ny fivoahany ny fonja, niverina nanao ny fanaony indray izy. Misy ireo tsy mahafantatra ny fomba fiadiny ka manome vola tokoa. Toy ireo mpanao vakansy tao Foulpointe mitady trano hofaina nojonoiny tao anaty facebook. Nahazoany volabe izany, ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy izao.

J.C

Partager sur: