TARATRY ny KANTO

Tsy mety mifankazatra ny mpisehatra anaty rohim-boky. Hatramin’izao, miha mitombo an-dalana aza. Sady mpanoratra no mpanonta, no mpivaro-boky, sns, ny olona iray. Satria, mbola maro no tsy mahafantatra ny tena fitsinjarana asa ao anatina rohim-boky iray. Miteraka tahotra sy ahiahy izany, hany ka voatery misahana asa sy andraikitra maro ny olona iray (matetika ny mpanoratra). Noho izany, mila omena fiofanana mifandraika amin’ny ataony ireo mpisehatra eo amin’ny rohim-boky.
Hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpifaninana 15 mianadahy hiatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny fiantsana tononkalo ny Faribolana Sandratra. Tafiditra ao anatin’ny taranja ianarana ny fomba fisehoana eny an-tsehatra, ny fanehoana amin’ny alalan’ny fihetsika ny vontoatin’ny tononkalo, sns. Marihina fa 25 mianadahy izy ireo no nifaninana tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nanjary tafiditra ho anisan’ny saro-pady tamin’ ny Malagasy ny firesahana ny « finoana ». Fahiny, tsy nisy izany, satria, nahalala sy nanaja ary natahotra an’ Andriamanitra eo an-tampon’ny loha ny Malagasy. Amin’izao fotoana, miteraka resabe ny fanehoan-kevitra momba ny finoana… Porofo maneho izany fa tsy mifanentana amin’ny lamina voajanahary sy iainan’ny Malagasy ny « resa-pinoana » nampidirin’ny vahiny.
Malaza indray ny famoahana isa (na tarehimarika)! Anisan’ny tsy maro mpahafantatra kanefa vanim-potoana lehibe nodiavin’ny kolosaina teto Madagasikara. Talohan’ny taona 1975, i Madagasikara no nitana ny laharana voalohany tamin’ny famakiana boky. Mari-pandrefesana nentina namoaka io tarehimarika io ny isan’ny boky lafo teny amin’ny trano fivarotam-boky.

Partager sur: