Vonona hifanome tanana ho fanantanterahana ny tetikasa fanondroana ara-jeografika ireo mpamokatra ao amin’ny faritra Matsiatra ambony. Hampandany ny volavolan-dalàna entina hampiharana izany ny solombavambahoaka voafidy tao Isandra, hoy izy nandritra ny atrikasa niarahany tamin’ ireo mpamokatra ao an-toerana, ny zoma teo. Marihina fa natao hiarovana ireo vokatra isam-paritra izay manana ny lazany manokana sy miavaka amin’ny kalitao ny tetikasa. Ankoatra izay, tsara raha mitaha amin’ny faritra hafa ny vokatr’ireo tantsaha noho ny fahaiza-manaony. Hita taratra fa efa misitraka ireo tombontsoa azo avy amin’ny tetikasa nandritra ny taona maro ireo firenena mandroso. Noho izany, hanatanteraka ny fanondroana ara-jeografika ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.
Tsiahivina fa efa nisy ny atrikasa natao tany amin’ny faritra Boeny, Itasy, Bongolava ary Atsinanana momba izany.