TSELATRA

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny alahady atoandro teo ny roa tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny katekista sy ny pastoran’ny FLM ao Andranomadio Mampikony. Tratran’ny zandary sy ny polisy kosa ny dahalo telo hafa. Tsy namelan’ny olona fa notetitetehany ireto dahalo tratra ireto.
Rongony 12 gony no saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Ihosy tao anaty bozaka tao Ilakaka, ny alahady teo. Natsipin’ireo andian’olona hafahafa fihetsika ny gony nentin’izy ireo teo akaikin’ny tobin-tsolika iray. Lasa nitsoaka ireo andian’olona ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny polisy ka voamarina fa rongony no tao anatin’ireo gony.

Partager sur: