Herinandro izay no nanakatonana ny trano fisotroana isaky ny amin’ny 10 ora alina any Toamasina. Tanjona amin’izany ny hisorohana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana lavareny ao an-toerana.
Nisy ny fidinana ifotony notarihin’ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyril, sy ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, ny zoma 23 aogositra lasa teo. Nanotrona izany ny lehiben’ny mpitandro filaminana telo tonta. Nitrangana tsy fandriampahalemana telo samihafa tao anatin’ny fotoana fohy. Anisan’ny nitranga ny 2 aogositra lasa teo ny fitsoahan’ny voafonja roa lahy tao Ambalatavoahangy. Teo koa ny famonoana an’ i Marimouto Frederic, tao Morafeno, ny 19 aogositra. Nanampy izany, ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambolomadinika tamin’io andro io ihany. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitetina 123 tapitrisa Ariary.
Ny fisehoan’ireo trangana tsy fandriampahalemana ireo no nahatonga ny solontenam-panjakana any an-toerana nandray fepetra nanakatona ny trano fisotroana ho
amin’ny 10 ora alina. Ankoatra izay, tsy maintsy savaina avokoa ireo mandeha amin’ny alina rehetra. Savaina sy hamarinina amin’izany ny karapanondrom-pirenena sy ny taratasina fiara, moto, bajaj ary ny posy. Nomena baiko ihany koa ny sefo fokontany 138 ao an-drenivohir’i Toamasina mba hanangana andrimasom-pokonolona hatramin’ny faha-21 septambra ho avy izao. Hisy fepetra raisina ho an’ ireo tsy nahatsangana izany.
Herinandro aty aoriana, mbola tsy nahitam-bokany ny ezaka fitandroana filaminana ataon’ny tomponandraikitra any an-toerana. Mbola mirongatra hatrany ny trangana tsy fandriampahalemana samihafa any an-toerana. Etsy ankilany, miandry ireo olon-dratsy voasambotra ny vahoaka fa tsy nisy izany hatramin’izao. “Mikatso ny fivelomanay, voahelingelina izahay”, hoy ireo mpivarotra Bar sy vehivavy mpampanofa tena.
Nandositra any atsimon’i Toamasina ireo gadra roa lahy
Ny faran’ny herinandro lasa teo, nahazo loharanom-baovao ny polisim-pirenena fa mandroba sy mitari-dositra mianatsimo an’i Toamasina ireo gadra roa lahy nitsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny 2 aogositra lasa teo. Fantatra fa tao amin’ny akanin’ny Nofy, manamorona ny Lakandranon’ny pangalanina izy ireo, ny alakamisy 22 aogositra teo. Rehefa naheno izany ny vahoaka, nametraka sakana tamin’ny lalana avy hatrany. Nandray lakana haingam-pandeha niala tany Toamasina kosa ny polisy. Tamin’ ny 1 ora maraina, nipoitra teo amin’ny sakana ireo gadra roa lahy ary nandrahona tamin’ny basy ireo vatan-dehilahy vitsivitsy. Vokany, tsy sahy nanohitra ireto farany. Nitohy, araka izany, ny dian’ireto gadra nitsoaka ireto ary tonga tany Anivorano gara. Miafina anaty ala ry zalahy mandritra ny andro mazava ary mivoaka rehefa alina. Mandrahona hatrany ireo izay mifanena aminy satria mitondra basy izy ireo. Ankoatra izay, mandroba sakafo azon’izy ireo atao hanina ihany koa.
Hatramin’izao, tombanana ho manaraka ny sisin’ny Lakandranon’ny pangalanina izy roa lahy ireto. Tanjona ny handosirana hatrany atsimon’ny Nosy. Vokany, mahatsiaro ho vizana noho ny tandrevaka ataon’ny mpiandry fonja ny polisy sy zandary ary ny vahoaka. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
Mpivarotena sy mpitandro filaminana ahina
14 mianadahy ireo olona efa nohadihadiana momba ny raharaha nahafaty ilay teratany frantsay 61 taona, tany Toamasina. Tsiahivina fa maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao amin’ny trano fisakafoana iray tany an-toerana, izy io. Tsy misy voatazona am-ponja na dia iray aza tamin’ireo nohahina fa nampodiana avokoa.
Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa tombanana ho nahavanon-doza ny vehivavy iray mpampanofa tena sy lehilahy iray mpitandro filaminana. Eo am-panomanana ny paikady rehetra hahafahana misambotra ireo olona ahina ireo ny mpanao famotorana, raha ny angom-baovao voaray. Miandry ny hivoahan’ny marina mahakasika ity raharaha ity ny vahoakan’i Toamasina hatramin’izao. Andrasana toy izany ihany koa ny tohin’ilay raharaha fanafihana tranombarotra iray tany Ambolomadinika Toamasina, ny 19 aogositra lasa teo. Izay naharobana lelavola mitentina 123 tapitrisa Ariary. Mbola tsy nahitam-bokany hatrany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika izany. Raha ny fantatra, mbola miriaria eny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo nahavanon-doza tamina trangana tsy fandriampahalemana samihafa tany Toamasina.
Nanatontosa : Sajo