Tsy misy fampandrosoana miroso raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny antoko iray miara-miasa amin’ny fanjakana ny antoko Union des Républicains (UDR) izay tarihin’i Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy. “Rehefa misy fitondram-panjakana mijoro eo ka manana foto-kevitra hampandrosoana ny firenena dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa izahay”, hoy izy.
« Ilaina sy zava-dehibe ny fandraisan’anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ao anatin’ny fahamatorana”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tokony handray andraikitra sahady eo amin’ny firenena ny tanora tsirairay. Fa tsy hiandry hoe tsy hianatra intsony vao handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ankoatra izay, manana kandidà harotsaka hofidina ho ben’ny Tanàna manerana ny Nosy amin’ny fifidianana ho avy ihany koa ny antoko tarihany. Efa ao anatin’ny fikarakarana tanteraka amin’izany izy ireo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavany.
Mino