Fampandrosoana: tombanana hiakatra 4,5% ny harinkarena faobe

Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser la transformation de Madagascar par la réforme de l’architecture financière mondiale». « Zava-dehibe ny fanavaozana ny rafitra ara-bola maneran-tany hanohanana ny fanovana ny rafitra eto Madagasikara », hoy i Kevin Chika Urama, mpahay toekarena eo anivon’ny Bad. Notsindriany manokana fa hahafahana misitraka ireo karazana famatsiam-bola sy hanatsara ny fahazoam-bola izany. Nilaza kosa ny tomponandraikitry ny Bad eto Mada­gasikara, i Adam Amoumoun, fa mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny « Document de stratégie-pays 2022-2026 » an’ny banky ny ao anaty tatitra. Ity farany izay mikendry manokana ny hanafainganana ny fanovana ny rafitry ny toekarena malagasy, ny sehatry ny indostria ary ny famoronana asa maitso. Marihina fa efa nahitam-bokatra tsara ny fanadihadiana ampahany ni­voaka ny volana mei teo. Tsiahivina fa mahatratra 18 ireo tetikasa nataon’ny Bad teto Madagasikara, hatramin’ny 31 jolay teo, izay namatsiany vola hatramin’ny 1,16 miliara dolara.

Henintsoa Hani

Partager sur: