FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra tsy mahomby ary tsy azo ekena intsony ny fahatarana, araka ny taratasin’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ireo mpikamban’ny governemanta. Nohitsiny fa tsy azo ekena intsony ny fahatarana sy ny tsy fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asa. “Miandry asa mivain­gana sy famahana ny olany ny vahoaka”, hoy ihany izy.
Nanao dinika savaranonando hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna ny filoha teo aloha, Ravaloma­nana sy ireo depiote voafidy avy eo anivon’ny boriborin­tany enina, eto an-dRenivohitra, ny alatsinainy teo. Voa­re­saka ny paikady sy ny fametrapetrahana ny lamina iatrehana izany. Tsiahivina fa efa nanambara ny hirotsahany ny mpanorina ny Tim.
Any Japon, miatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Afrika sy ry zareo Japonais (Ticad) ny mini­sitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japonais, i Yoko Kamikawa, fa hitarina sy hatsaraina ny fampidirana rano ho an’ny ao Toamasina. “Hatsaraina sy hatao moderina ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany”, hoy izy.
Efa nidina eny an-kianja, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, ireo minisitra sasany, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny minisitry ny Angovo, nijery ny foibe famokarana herinaratra. Ny minsitry ny Asa vaventy, nanao tombana ny fanamboaran-dalana RN2. Ny minisitry ny Fitsarana, nihaona tamin’ireo mpiasa tetsy amin’ny fitsarana Anosy…

Partager sur: