Fem-9: vinavinaina ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo

Atao eto Antananarivo, ny 27, 28 ary 29 aogositra izao, ny fivoriana Dinika nasionaly mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem), andiany faha-8. Fotoana ijerena ny zava-bita sy ny hanatsarana ny hoavy.

Misitraka ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem) i Madagasikara, na­nom­boka ny taona 1994. Antony, noho ny ambana sy ny tsindry mahazo ny karazan-javamananaina eto amintsika. Mahazo ny tohana avy amin’ny Fem isika, entina hitantanana maharitra ny harena voajanahary ary ao anatin’ny andiany faha-8 izao. Nomarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine, omaly, fa fanampiana ara-bola ny Fem, izany hoe, tsy averina, fa tsy fampindramam-bola izay misy fepetra samihafa, toy ireny avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-karazana ireny.
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azo avy amin’ny Fem ho an’i Madagasikara, tao anatin’izay 30 taona izay. Saika nisitraka izany daholo ireo tetikasa notanterahina nentina nampitomboana avo 3 heny ny faritra arovana, tamin’ny taona 2003 ireo. Eo koa ny fampitomboana avo 3 heny ny velaran’ny fari-dranomasina arovana, napetraka ny taona 2014.
Tetikasa filamatra
Nohazavain’ny minisitra Medd fa anisan’ny hapetraka, ankehitriny, ny fampiasana ny fitaovam-pitaterana mitsinjo tontolo iainana, toy ny fiara sy moto elektrika, tsy ampiasana solika. Tetikasa filamatra ny tanànan’Antananarivo sy Toamasina.
Andrasana amin’ity dinika nasionaly ity ny tombana zava-bita sy nijerena ny tokony ho hatsaraina. Nofantarina ny laharam-pahamehana sy ny tian’ny fanjakana malagasy hotanterahina. Ao anatin’izany ny fanomanana ny Fem andiany faha-9, ka vinavinaina hiakatra ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo, ho an’ny taona 2026-2030, raha 78 tapitrisa dolara tamin’ ny Fem-8.
Manatrika ity fivoriana ity ny filoha tale jeneraly (PDG) i Carlos Manuel Rodriguez. Nisy ny fihaonany tamin’ny filoha, Rajoelina Andry, na­nom­banana ny lasa sy nijerena ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny hoavy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: