Niara namoy ny ainy tao anatin’ny haintrano izy telo mianaka, omaly, teny Andohalo. Lasa lavenona, tsy nisy azo noraisina koa ny entana rehetra tao an-trano. Tsy fantatra ny nahatonga ny afo.
Ny akanjo teny an-koditra sisa! Nitrangana haintrano namoizana ain’olona telo mianaka teny Ambatobevanja, fokontany Andohalo, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Trano lehibe roa misy rihana efatra, ahitana efitra 12, sy tranohazo iray ity levon’ny afo ity. Nijoalajoala ny afo nandritra ny firehetan’ilay trano lehibe. Olona telo mianaka (ramatoabe iray 68 taona, ankizivavy 9 taona sy 6 taona). Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny fokontany, niainga avy ao amina tranohazo iray ny afo. Tsy mbola fantatra mazava koa ny anton’ny firehetana na fipoahana herinaratra na labozia hadino. Haingana ny fihitaran’ny afo noho ny fitsoky ny rivotra, sady ambony toerana rahateo, ka nahazo ireo trano roa teo amin’ny manodidina. Vokany, sempotra tao anaty afo ireto telo mianaka namoy ny ainy ireto. Mbola tao anatin’ny torimaso rahateo ireo olona tao amin’ilay trano lehibe tamin’io fotoana io. Ahitana tokantrano 13, misy olona 62 isa ity trano levon’ny afo ity.
Naharitra adiny dimy ny afo…
Levon’ny afo avokoa ny entana rehetra tao an-trano, anisan’izany ny masinina mitentina 12 tapitrisa Ar, sakafo, vola 1 tapitrisa Ar miampy ny kojakoja sarobidy samihafa. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria samy nanao izay ho afany tamin’ny fivoahana sy namoaka ny entana azo navoaka. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina an’ny CUA nanao ny asam-pamonjena rehetra. « Goavana ny fahamaizana satria naharitra adiny dimy ny famonoan’ny mpamonjy voina ny afo. Mila malina hatrany fa tsy fitandremana kely dia mety hitarika loza toy izao », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny vondron’ny sampana mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, nitondra fanampiana ho an’ireo traboina. Ny polisy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) no misahana ny famotorana ity raharaha ity.
Jean Claude