Manan-karena i Madagasikara. Manana tontolo iainana mahavariana. Manana kolontsaina tsy manam-paharoa, sns. Nolovain’ny Malagasy avy amin’ny razany avokoa ireny. Haneho ny maha sarobidy izany i HeryZo Ralaindimby.
Hanomboka ny zoma
30 aogositra izao, tsy hifarana raha tsy ny 28 septambra. Fampirantiana hotanterahin’i HeryZo Ralaindimby, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Ranty nampitondraina ny lohateny « Lovan-draza ». Fotoana hanehoany ny hasarobidin’ireo navelan’ny razana. Amin’ny alalan’ny hosodoko, fampiasana ny tamban-javatra maro sy fananganana izany mba haneho hevitra no hanaporofoin’ity mpanakanto ity io hasarobidin’ny lova navelan’ ny razana io. Amin’ny ankapobeny, ahatazanana izany ny kolontsaina, ny fifandraisan’ny olona sy ny tontolo iainany.
Hanana endrika isan-karazany ny fomba hanehoan’i HeryZo Ralaindimby ny hakanton’ny lova navelan’ny razana ho an’ny taranany. Ampitainy ny fananan’ny « vavaka » nataon’ny Malagasy, hasina lehibe. Tahaka izany koa ireo fomba amam-panao notanterahin’ny razana fahiny. Nahitana vokany teny anivon’ny fiarahamonin’ ny Malagasy izy ireny.
Mila ampitaina amin’ny taranaka ireo lova sarobidy
Ankoatra ireo, hanasongadina ny fifandraisana sy ny fifamatorana eo amin’ny Malagasy sy ny tontolo iainany voajanahary ny fampirantiana « Lovan-draza ». Fiombonana sy fifampiankinana mahavariana! Hampahatsiahy ny maha sarobidy azy io rahateo i HeryZo Ralaindimby. Mbola lova avy amin’ny razana ny tsy tokony hisarahan’ny Malagasy amin’ny tontolo misy azy.
Ankoatra ny maha fampirantiana zavakanto azy, hahazo vahana ny fanehoana fa manana lova tsara ny Malagasy ka tokony harovana sy hasongadina izany. Mila fantatry ny taranaka aty aoriana izy ireny mba tsy ho very an-dalana. Ho tazana eny an-toerana fa anisan’ny manaitra sy mampahatsiahy ny tokony ho anjara andraikitra ataon’ny Malagasy tsirairay manoloana ny hasarobidin’ny lovan-drazana ny mpanakanto sy ny sanganasany.
HaRy Razafindrakoto