Ping Pong – Afrika 2024: mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara

Tsy mbola misy resaka na fanapahan-kevitra noraisina ny fiatrehan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny volana oktobra ho avy io, any Ethiopie. Ny 29 aogositra izao no hanomboka ny fifaninanana nasionaly.

Hotanterahina any Addis Abeba, ny 18 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra “ping pong”. Mbola baraingo ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’izany, araka ny vaovao nampitan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT).

Nilaza izy ireo fa mbola hisy ny fivoriana hatao hijerena ny hoenti-manana hiatrehana ity fifanintsanana afrikanina ity. Nambaran’ity mpampita vaovao ity ihany fa tsy maintsy hangataka fanampiana amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izy ireo, mba hahafahana miatrika izany.

Tsiahivina fa efa manana ny toerany eto Afrika i Mada­gasikara amin’ity taranja Ping pong ity. Ny volana jolay lasa teo, nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny lalao ho an’olon-droa miaraka, vehivavy, nandritra ny fifanintsanana afrikanina tany Botswana, sokajy zandriny U-15, i Mada­gasikara. Ry Rakotondrazaka Océane sy i Mayane, izay mpirahavavy no niravaka izany medaly izany.
Mpilalao 400 no hifanintsana
Ankoatra izay, hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny 29 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra. Mahatratra 400 ma­hery eo ireo mpilalao hifanintsana amin’izany, avy amin’ny klioba 43. Miisa fito ny ligy mandray anjara. Anisan’izany Analamanga, mpampiantrano, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Vakinankaratra, Amo­ron’i Mania ary Matsiatra Am­bony.
Tsiahivina fa mbola mandray anjara ao ireo tompondaka farany tamin’ny “1ère série”, Rakotoarisoa Riva, ho an’ny lehilahy, sy Rakoton­drazaka Océane, ho an’ny vehivavy.

Fitia Randria

Partager sur: