Raboanarijaona Holijaona: “Mahavelombolo ny firafitry ny governemanta”

“Tsy mbola fantatra ny hoe hatraiza marina ny ho fahombiazan’ny governemanta? Ny azo lazaina: mahavelom-panantenana ny firafitry ny governemanta”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Emergence Madagas­car, Raboanarijaona Holijaona, momba ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny anton’ izay: hita fa efa matotra ny nisafidianana an’ireo mpikamban’ny governemanta: olona manana traikefa, teknisianina ny ankabeazany. Izay no ma­naporofo fa hiditra lalindalina kokoa amin’ny fanatantera­hana ireo tetikasa ny fitondram-panjakana. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia avy ao amin’ny minisitera nanendrena azy ihany. Eo izany ny hoe ny fahafantarany ny asa sy ny rantsa-mangaikan’ny minisitera misy azy. Izay no anisan’ny nisafidianana azy, ankoatra ny masontsivana amin’ny famitana asa, fahamarinana, etika…
Mety nandalo fitsapana avokoa ny ankabeazan’izy ireo. Izay no ahafantarana hoe: tena manana fahaiza-manao amina asa goavana ve, manana fahaiza-manao amina haranitan-tsaina ve… ? Mba hanana ny hoe avo lenta ny fitantanana ny departemanta misy azy. Azo lazaina hoe voalohany no misy an’izay masontsivana izay, mifanaraka amina andraikitra toy izany eto amin’ny firenena. Hatra­min’izay, saika hoe governemanta politika no napetraka. Izay governemanta politika izay dia misy manampahai­zana be dia be, fa izao kosa dia vonona hametraka sy hanatanteraka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika: hame­traka ny drafi-pisandratana amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’izao fe-potoam-piton­drana faharoa izao.

R. Nd.

Partager sur: