Anarana manana ny lazany eo amin’ ny taranja rallye Rasoamaromaka Faniry sy Mika. Mametraka tantara, na eto an-toerana na any Frantsa, izy mirahalahy. Miezaka ny ho fakan-tahaka ho an’ny tanora malagasy izy ireo.
Mpanamory fiarakodia, mpanao rallye manana fijery ambony ry Rasoamaromaka mirahalahy, Mika sy Faniry. Teratany malagasy, manana ny maha izy azy maneran-tany. Araka ny fanadihadiana natao, omaly, hametraka tanjona ny ho tompondakan’i Frantsa, eo amin’ ny sokajy zandriny, Junior, sy ho laharana voalohan’ny fifaninanana “Clio Trophy France Terre” (Clio TFT), izy ireo.
Raha tsiahivina, ho an’i Mika manokana, vao 21 taona, ny taona 2022, no nandraisany anjara voalohany tamin’ny Clio TFT. Tamin’ny taon-dasa, nihazona ny laharana fahefatra izy eo amin’ny filaharana amin’ny ankapobeny ary fahatelo tamin’ny Junior. Nahazoany fandresena voalohany ny fifanintsanana “Rallye Terre Castine”, izay notontosaina tamin’ity taona ity. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara i Mika ny 2021 lasa teo ary efa indroa tompondaka lefitra, ny 2018 sy ny 2019. Fony izy vao 15 taona no nanao fifanintsanana “slalom” voalohany.
Mahakasika manokana an’i Faniry kosa indray, izay zokiny, manana ny lazany eo amin’ny tantaran’ny rally eto Madagasikara koa izy. 26 taona ny lehilahy ankehitriny. Anisan’ny tena nahafantarana azy ny fifaninanana “slalom”, ary ny taona 2019 teo izy no nandrombaka ny anaram-boninahitr’i Madagasikara. Tafiditra tao anatin’ireo telo voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa “Rally terre en clio trophy” izy ny taona 2023.
Tamin’ity taom-pilalaovana ity, voahosotra ho mpanamory zandriny mendrika indrindra tamin’ny « Rally Motul 2024 » izy. Laharana fahatelo ny tenany tamin’izany.
“… manana talenta ny Malagasy.”
Zavatra tena tian’i Mika sy Faniry ny fanatanjahantena eo amin’ny tontolo mekanika, indrindra fa ny rallye. Nanaraka fiofanana mpanamory tao amin’ny Chez Drive Control, tany Frantsa izy ireo.
“Tanjoko ny ho tafita lavitra amin’ity taranja ity ary hikiry mafy sy haneho amin’ny rehetra aho fa manana talenta amin’izany ny Malagasy », hoy i Mika. Nolovain’izy ireo tamin’ny rainy, Rasoamaromaka Hery, izay governoran’Analamanga, amin’izao fotoana izao, ny fitiavana ity lalao kodiarana efatra ity. Nambarany ihany fa mifanohana hatrany izy sy ny fianakaviany amin’ity rallye ity.
Hiatrika ny “Rallye Terre de Lozère”
Hotanterahina ny faran’ny herinandro hoavy io ny fifaninanana “Rallye nationale Terre de Lozère”, andiany faha-13. Fifanintsanana izay karakarain’ny ASA Lozère, avy amin’ny ligy Occitanie Méditerranée ary tafiditra amin’ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i France, amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Anisan’ireo Malagasy mandray anjara amin’izany Rasoamaromaka Mika mirahalahy.
Tsiahivina fa ny taona 2023, efa niatrika izany ry Rasoamaromaka Faniry sy i Mika. Teo amin’ny laharana faha-16 i Mika sy i Pouget Bastien. Izy ireo izay mitondra ny fiara Renault Clio Rally 5. Faha-19 kosa i Faniry sy Rakotomalala Judicael, manamory ny Renault Clio RS Rally 5 ihany koa.
Tsara marihina fa miisa 62 ny isan’ny mpifaninana tamin’izany. Andrasana amin’io lalao io izay handimby ny toeran-dry Franceshi Jean Baptiste sy Baud Lucie, laharana voalohany, ny taona 2023, izay mamily ny fiara Skoda Fabia R5.
Hafatra avy amin’izy mirahalahy
Manoloana ny fahombiazana amin’ny lafiny fanatanjahantena rallye dia mizara ny traikefany ho an’ny tanora izy ireo. Misy ny hafatra izay ifampizarany amin’ny Malagasy mitovy taona amin’izy ireo na ny zandry vao misandratra.“Mila mahatoky ny tenanao ianao rehefa manao zavatra. Ekeo ny lesoka saingy fadio hatrany ny kivy sy hijanona. Miankina amin’ny saina ny fifaninanana rehetra. Mila toe-tsaina ambony sy fahavononana hanao ny tsara izany. Zava-dehibe anefa ny asa mafy ao ambadik’izay. Mila miezaka manao mihoatra ny tsara vita hatrany. Mila faly sy mahay mankafy ny zava-bita amin’ny sehetra misy. Tsy azo hadinoina fa mila mirehareha rehefa misolotena an’i Madagasikara.”, hoy izy ireo.
Ankoatra ny famoriana fiarakodia matihanina, mbola manohy fianarana izy mirahalahy. Manamafy ihany koa izy ireo fa tsy tokony hivaona amin’ny drafitr’Andriamanitra ny zava-dehetra. “God’s Plan foana e!”, hoy i Mika namarana ny resadresaka taminy.
Nanatontosa : Fitia Randria