Sekolim-panjakana : tsy andoavam-bola ny fampidirana mpianatra

Ho fanamaivanana ny vola aloan’ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany, nametraka lamina vaovao ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, araka ny fanambaran’ny minisitra, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly.

Tsy mahazo mampandoa vola ny ray aman-drenin’ny mpianatra intsony ireo sekolim-panjakana tsy manana mpampianatra Fram tsy mahazo fanampin-karama avy amin’ny fanjakana. Tsy tokony handray mpampianatra Fram vaovao intsony na “bénévolat” koa ny sekolim-panjakana taorian’ny taona 2020, araka ny toromarika efa nomen’ny minisitera mpiahy, hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. “Lasa vesatra ho an’ny ray aman-dreny ny fanefana ny karaman’izy ireny ka tsy azo ekena”, hoy ny minisitra. Ny fandaniana hafa toy ny karaman’ny mpiambina ny sekoly sy ny hafa rehetra tsy azo itakiana fandraisana anjara avy amin’ny ray aman-dreny intsony manomboka izao.
Efa tapaka nandritra ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mialoha ny fifaranan’ny taom-pianarana 2023-2024 nefa ny sorabola efain’ny ray aman-dreny ho an’ny taom-pianarana vaovao ka mety hanakorontana ny lamina ity toromarika vaovao ity.

Lisitr’ireo ankizy marefo
Fepetra faharoa noraisin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena ny fandrafetana anaty lisitra ny anaran’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana marefo tsy tafiditra an-tsekoly noho ny fahasahiranana. Alefan’ny sefo fokontany eny anivon’ny sekolim-panjakana, EPP, CEG ary lycée akaiky ny fokontany ny lisitra ka tsy maintsy raisina hianatra ao ireo ankizy ireo ary tsy mandoa vola na ariary aza mandritra ny taom-pianarana. Fia­raha-miasa amin’ny minisiteran’ny Atitany ity asa faharoa ity ka ny sefo fokontany no handrafitra ny lisitra.
Tanjona ny tsy hamela na ankizy iray aza ivelan’ny sekoly satria lalana hanatsarana ny maha olona ny fanabeazana.
Mbola nohamafisiny fa maimaimpoana ny fampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy ka tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra, na ireo sambany hiditra an-tsekoly na ireo hiakatra kilasy, eny amin’ny sekolim-panjakana.

Vonjy

Partager sur: