Tafapetraka, omaly, ny rantsa-mangaikan’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mba hahafahana mandray ny fitarainana momba ny kolikoly ny ivontoerana
Natao handraisana ny fitarainana mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalàna miseho eny an-toerana ity rantsan’ny Bianco ity. Hanentanana ny mpiasa sy ny mpandeha rehetra mba handa kolikoly ary handray fepetra hisorohina izany. Misy ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra satria raharaham-pirenena ny ady atao amin’ny kolikoly. Tanjona ny hikendrena ny tombontsoa ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. «Anisan’ ny fitaratr’i Madagasikara ny seranam-piaramanidina Ivato. Migoka ny vokatra tsara amin’izany ny Malagasy rehetra raha tsara ny fitantanana eny ary toy izany koa raha ratsy », hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, nandritra ny lahateniny. Ho voasoroka mialoha eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny endrika kolikoly sy ny fanondranana tsy ara-dalàna amin’ny endriny rehetra amin’ny fametrahana io rantsa-mangaika io.
Apetraka ny paikady rehetra
Ezahina ny hametrahana sy hanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ireo mpiara-miasa hiandry raharaha, na andro alina na atoandro, toy izany koa ny fifandimbiasana ao anatin’ny fotoana izay ho faritana mialoha. « Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fadintseranana, ny CSI ary ireo mpiara-mikatroka rehetra anatin’ny sehatra », hoy hatrany izy. Hatsaraina ny fametrahana ny laharana maitso hampiasan’ny bianco, andraisana ny fitarainana mahakasika ny kolikoly. “Anisan’ny tombony amin’ny rantsa-mangaika ny fahafahana mandray mivantana ny trangan-javatra iray mety ahitana kolikoly na olona niharan’ny kolikoly eny anivon’ny seram-piaramanidina Ivato”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest. Mametraka ny fanabeazana, fiarovana ary fanenjehana ny eny anivon’ny fadintseranana mandritra izany.
Mino
.