Tarika AmbondronA : manome ny kanto ho an’ny mpankafy

Mazava ny fitetezam-paritra “Tour 2024” ataon’ny tarika AmbondronA, amin’ity taona ity. Hihaona amin’ny mpankafy azy ny tarika amin’ny 29 septambra ho avy izao, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Manohana ny hetsika ny orinasa Airtel Madagasikara, amin’ny maha ambasadaoro ny AmbondronA ity orinasa ity. Aorian’ny fotoana, hitohy any amin’ny faritra ny “Tour 2024”. Hipaka hatrany Alemaina, araka ny fanazavan’i Beranto, filohan’ny tarika, omaly.
Ankoatra ny maha mpanakanto ny AmbondronA, manana tetikasa mitsinjo ny fiarahamonina ny tarika. Efa natombony ny taona 2023 ny tetikasa « Arabe », hijerena ny ankizy sahirana sy marefo. Misy ny hetsika nanokanan’izy ireo tahirim-bola, avy amin’ny fidiram-bola azon’ny tarika sy iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Nambaran’i Beranto fa nahatratra 25 tapitrisa Ar ny vola voaangona.

Gix

Partager sur: