Tetikasa Tefiala: hanajary atiala 49 000 ha

Vina apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hanatsara ny endri-tany sy ny hanarina ifotony ny atiala mba ho lovain-jafy. Voafaritra nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana mpanapa-kevitry ny « Comité de pilotage » eo anivon’ny Tetikasa Tefiala ny hanajariana velarantany 49 000 ha. Ny tetikasa izay miasa ao amin’ny sahandriaka Bas Mangoky, faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Matsiatra Ambony. Mamatsy vola ny tetikasa ny Tahirimbola maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (Gef) nanomboka ny 01 jolay 2023 ka hatramin’ny volana mei 2028. Eo ihany koa ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo (Fao) izay mitantsoroka ara-teknika ny tetikasa. Tsiahivina fa efa nisy ny tatitry ny asa vita nandritra ny herintaona, ny 1 jolay 2023 ka hatramin’ny 30 jona 2024. Efa natolotra ihany koa ireo asa hotanterahina ho an’ny taona faharoa nanomboka ny 1 jolay 2023 ka hatramin’ny volana jona 2025.

Henintsoa H.

Partager sur: