Tsy maintsy tonga saina

 

Hanomboka ny taom-pianarana. Efa mihazakazaka ny fisoratana anarana amin’ny sekoly, na miankina na tsia amin’ny fanjakana. Na inona na inona fahantrana, mie­zaka ary tsy mikelisoroka ny ray aman-dreny mandefa ny zanany an-tsekoly. Tsy mahasakana ny hafanam-po ny olan-tsosialy isan-karazany mianjady eny amin’ny andavanandrom-piainana.
Manao izay ho afany na ny ray na ny reny. Mitady izay fahafaha-manao mba hitovizan’ny kilonga amin’ny zanaky ny hafa. Tsy ilay hipitrapitra na mahatsapa ho latsa-danja fa tena hoe zaza tiana sy hamoronana ny tsy misy. Firifiry tokoa no manao ny tsy fanao mihitsy ho an’ny zanany. Indraindray aza itafiana henatra ny fitrosatrosana etsy sy eroa mba hahafahana mampiana-janaka.
Manoloana izany indrindra no mba hanairana ny sain’ ny tanora malagasy sy ny ankizy mba hifototra sy hilofo amin’ny fianarana.Tsy misy afa-tsy ny fianarana no hany lova tsara indrindra ho an’ny zaza malagasy. Asakasan’ izay hanao tsinontsinona ny ray aman-dreny sy ny vola naloany, na izay miketrika ny handrora miantsilany ka hanao alasafay sy hanao tsidim-pahitra ny sekoly.
Tsy vaninandro handanindaniana fotoana intsony izao fa tsy maintsy ifantohana amin’izay atao. Ny tanora mala­gasy no voalaza fa hoavin’ny firenena ka mitaky ezaka goavana izany. Betsaka ny rendrarendra sy fakam-panahy etsy sy eroa, indrindra anatin’izao fahantrana lalina izao. Mitaky fifehezan-tena lalina sy goavana ny zava-misy iainana. Mitaky fifehezan-tena lehibe.
Miandrandra tanora mazoto mianatra sy liana amin’ny fanovozam-pahalalana i Madagasikara. Iaraha-mahalala fa milentika andro aman’alina anaty fahantrana lalina
ny vahoaka. Raha izao no mbola tsy ho tonga saina dia mirona any amin’ny famarinan-kasina faobe Ramalagasy !

r.r

Partager sur: