VAOVAO TAMBATRA

Tetikasa roa lehibe amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no anisan’ny vinan’ny fanjakana amin’ny taona 2025. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola vahiny mivantana (IDE), izay fanoitra lehibe hampiakatra fiharian-karena, hiteraka asa, sady hampandroso mivantana ny eny ifotony. Vinavinaina amin’izany ny tetikasa Base Toliara.
Vita avokoa ny 60% ny asa ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa « Train Urbain », toy ny lalamby sy ny gara rehetra. Ho vita mialohan’ny faran’ny taona ny asa mivaingana ary azo ampiasaina amin’ny taona 2025 ny train urbain. Tsiahivina fa nafarana tamin’ny taon-dasa ireo fitaovana sy kojakoja momba ny tetikasa.
Manomboka androany ny fizarana ny taratasy fahazoan-dalana hanondrana lavanila izay atao eny anivon’ny minisitera misahana ny Varotra eny Ambohidahy. Tsiahivina fa miisa 58 ireo mpandraharaha, anatin’ny sokajy indostrialy, nahazo fankatoavana hanondrana ny vokatra. Misy ny antontan-taratasy, araka izany, takina amin’izy ireo.
Miverina indray ny fahatapahan’ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina raha niato nandritra ny andro vitsy monja. Misy ny fanarenana ny tambajotra mamatsy ny herinaratra, hoy ny Jirama saingy miantraika amin’ny famatsian-drano ny zava-misy. Nilaza ny Jirama fa mbola hitohy hatramin’ny volana septambra ny fahatapahan’ny herinaratra.

Partager sur: