Ambana noho ny nendran-drajako : mila hamafisina ny hery fiarovana sy ny fanajana ny sakana rehetra

Anisan’ny aretina miparitaka aty amin’ny kaontinantan’i Afrika ny nendran-drajako. Miseho amin’ny endrika fahabokana eo amin’ny vatan’ny olona iray izany. Efa fantatra mialoha ny fisehoan’ity aretina ity ka ilaina ny fitandremana izany mba hisorohana ny fiparitahany.

Manoloana ny ambana noho ny variole du singe (Mpox) na ny nendran-drajako maneran-tany, «ilaina ny fanamafisana ny hery fiarovana sy ny fanajana ny sakana rehetra eo amin’ny tsirairay tahaka ny tranga nisy tamin’ny valanaretina Covid-19», hoy ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Toy ny fanajana ny elanelana, ny fifampikasohana, fanaovana arovava orona… Mila fitandremana be ny fifampikasohana amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ireo olona manana olana amin’ny taovam-pisefoana sy ho an’ny marefo. Ilaina ihany koa ny fanajana ny fahadiovana toy ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony. Ankoatra izay, ilaina be ihany koa ny fanamafisana ny hery fiarovana eo amin’ny tsirairay. “Ilaina ihany koa ny fananana torimaso ampy tsara mba tsy hahamora reraka ny vatana. Ny torimaso no ahafahana manolo indray ny sela ratsy ao anatin’ny vatana», hoy ny Dr Rakotoa­rivony Manitra. Tanjona ny hahafahana misoroka sy miady amin’ny fiparitahan’ny nendran-drajako na dia mbola tsy misy eto Madagasikara aza izany.
Amin’izao, mbola tsy tafiditra ny aretina eto Madagasi­kara, nilaza ny mpitsabo fa ilaina fitandremana be izany mba tsy hisian’ny irika mety hahatafidiran’izany eto an-toerana. “Ny fitandremana no tokony atao betsaka ao anatin’izany rehetra izany”, hoy hatrany ny mpitsabo. Ilaina ny manampy ny hery fiarovana , indrindra ho an’ny marefo, satria aretina mahafaty haingana izy ity ka vahaolana ny fampitomboana izany eo amin’ny olona, raha ny nambarany. Ankoatra izay, ilaina ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy manao fanatanjahantena hahafahana mampitombo hery.

Mifindra amin’ny firaisana ara-nofo
Nanazava hatrany ny mpi­tsabo fa aretina mora mifindra loatra ity nendran-drajako ity. Eto Madagasikara, ny olona samy olona no hamindra azy fa tsy ny biby ka io indrindra no tokony handraisana fepetra. Amin’ny ankapobeny, toy ny nendram-boalavo ny fisehon’ity aretina ity. Satria, mibontsina sy misy tsiranoka kely eny amin’ny vatana rehetra. Arakaraka ny tanjaky ny olona ny fisehony. Mety ho mafy kokoa ny fisehoan’ny aretina eo amin’ny olona marefo. Haingana ny fifindran’ny aretina ary mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny aretina, ny fanaovana firaisana ara-nofo na amin’ny alalan’ny oroka izany. Rehefa tafiditra ao amin’ny vatan’olombelona ny aretina, andro sy ora vitsivitsy aorian’izay, mijoy ny ranon-delo, mikohaka, manakotsako ny vanin-taolana, malain-komana, mitranga ihany koa ny mibotsimbontsina amin’ny vatana. Anisan’ny mampiavaka ity aretina ity amin’ny nendram-boalavo ny fifindrany amin’ny firaisana ara-nofo sy amin’ny alalan’ny oroka.

Tsara ny hanatonana mpitsabo avy hatrany raha vao mahita tranga hafahafa amin’ny vatana. Hahafahana mitily sy mitsabo ny aretina eo amin’ny olona iray.

Maro ny firenena ahitana ny aretina

Manodidina ny 21000 ny tranga hita mahakasika ny aretina nendran-drajako, tamin’ity volana ity, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation Mondiale de la santé (OMS). 591 ireo olona maty vokatr’izany, izay maherin’ny 3,6 % ny taham-pahafatesana. Ahitana tranga betsaka indrindra ny any amin’ny repoblika demokratikan’ny Congo, izay mahatratra 18000 ny olona voamarina ho voan’izy io. 20628 ireo nahitana tranga mampiahiahy amin’izany. 572 ny tranga voamarina any  Burundi, 268 ny tranga tao amin’ny république Centrafricaine. 7 ireo firenena aty amin’ny kaontinanta afrikanina ahitana ny trangan’aretina. 4 ny- any amin’ny firenena Eoropeanina. 3 ny any Amerika Avaratra raha toa ka 2 ny any Amerika Atsimo.

Mangatsiaka ny andro amin’izao fotoana izao, ary mety any amin’ny 7 Septambra any ho any vao hiakatra ny hafanana eto amin’ny Nosy. Ho an’ireo izay tsy mahatanty hatsiaka, mirongatra ny kohaka, aretin’ny havokavoka ary ny sohika. Tandremana ny ankizy tsy hisotro rano mangatsiaka sy tsy hihinana zavatra mamy be loatra, satria mampihena ny hery fiarovana izany. Mila manao mafana tsara ihany koa rehefa matory amin’ny alina satria lasa tsentsina ny orona rehefa maraina ny andro. Ho an’ny sakafo indray, ilaina fitandremana ny sakafo be menaka. Mety hiteraka aretim-bavony sy fivalanana eo amin’ny olona izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: