Nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Oniversite Toliara, ny 22 aogositra teo, mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Nandray anjara tamin’izany ny tonia mpanatanteraka ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl.
Nohazavain’Andriamparany Carl, manoloana ny mpianatry oniversite, fa manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, izay afaka mitondra fampandrosoana ara-toekarena. Hampihena ny fahazotoan’ny mpampiasa vola mankaty amintsika ny tsy fitrandrahana azy ireny. Efa nivoaka ny taona 2023 ny didy fampiharana ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ka azo antoka fa ho fanoitran’ny fampandrosoana ity sehatra ity.
Araka ny antontanisa, avy amin’ny fitrandrahana vaventy ny 40%-n’ny fanondranana vokatra any ivelany. Mampiditra hetra, miteraka vola vahiny, mampiroborobo ny varotra anatiny, sns. Singanina amin’ izany, nahatratra 340 tapitrisa dolara ny fividianan’ny orinasa Ambatovy vokatra teto an-toerana ny taona 2022, miantraika mivantana any amin’ny harin-karena faobe (PIB) sy ny toekarena ankapobeny.
Manampy ireo, voalazan’ ny lalàna fa tsy maintsy manana tetikasa Andraikitra amin’ ny sosialy (RSE) ny orinasa. Anisan’izany ny fanohanana ny mponina eny ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Miteraka asa ny IDE
Nilaza Rtoakely Nambininarivo Sitraka, mpianatry ny oniversite, fa miantraika amin’ ny mponina eny ifotony ny fitrandrahana ambanin’ny tany, rehefa miasa manara-dalàna ny orinasa. Tena mitondra fampandrosoana an’i Madagasikara ity sehatra ity, toy ny firenen-kafa manao izany. Miteraka asa ny fisian’ny mpampiasa vola vahiny (IDE).
Nohazavain’i Andriamparany Carl, fa anisan’ny tetikasa tokony hisokatra indray atsy ho atsy ny Base Toliara. Antenaina fa hahita vahaolana ny fanjakana amin’ny fisian’ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany.
Nahafa-po ny mpanentana ny fotoana, ny Pr. Razakazamanana Théodore, talen’ny sampam-pianarana mikarakara ny fahazoana «doctorat» (GPCEHP) ao amin’ny oniversite Toliara.
Njaka Andriantefiarinesy