Fiaraha-miasa amin’i Emirats Arabes Unis; ho avy ny sidina hampitohy an’i Dubai sy Ivato

Hihamafy sy hihatsara hatrany ny fiaraha-miasa. Nandray ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Emirats Arabo mitambatra (EAU), ny Dr Salim Ibrahim Bin Ahmed Mohamed Alnaqbi, ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, Andriantsito­haina Naina, afakomaly, tetsy Anosy. Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy ny hanamafisana izany hatrany. Nifampidin­ihan’ny roa tonta koa ny fifandraisana ana habakabaka amin’ny alalan’ny sidina hampitohy an’Ivato sy ny any Dubai. Hanomboka avy hatrany ny 3 septambra izao izany amin’ny alalan’ny fiaramanidina, ny “Boeing 777-300ER”.
Anisan’ny nifampiresahana ny hanokafana ny masoivohontsika any Abu Dhabi, hanamora izany fiaraha-miasa izany ary hampiroborobo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny andaniny sy ankilany, indrindra amin’ireo sehatra tena laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny hisarihana ireo mpampiasa vola avy any Emirasy Arabo mitambatra. Tahaka izany koa, ny fiaraha-miasa sy ny hahatongavan’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny momba ny teknolojia avo lenta. Eo koa ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny “Cybersécurité” ary ny fotodrafitrasa ho amin’ny fitantanana ny rano.

Synèse R.

Partager sur: