Fifidianana ben’ny tanana: Fotoana hanehoan’ny vahoaka ny fahefany

Dingana iray lehibe no vitan’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana, omaly. Ambohipihaonan’ny mpisehatra rehetra izany. Samy nanao rodobe na ny mpitondra na ny mpanohitra. “Aoka tsy hohamaivanina ny fifidianana ben’ny Tanàna. Amin’ny maha fifidianana manakaiky vahoaka azy, fo­toana hanomezana vahana ny olom-pirenena handray anjara mivantana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny tanàna izany”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Tafiditra amin’ny fanomanana ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 desambra ny fihaonana.
Ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina voafidy no ho tomponandraikitry ny fampandrosoana eny ifotony. Tokony homen-danja sy ampirisihana ny rehetra mba samy hitondra ny anjara birikiny. Mila tomponandraikitra hitondra fampandrosoana ao aminy ireo kaominina 1 695. Marihina fa efa misy, mitohy ny fanofanana ireo mpikirakira fifidianana. Natomboka tamin’ny 19 aogositra ny an’ireo mpikamban’ny rafitra mpanamarina sy mpikirakira ny firotsahan-kofidina (Ovec) amin’ny distrika 120.

R. Nd.

Partager sur: