Fikarakarana ny fifidianana : Nidera ny Ceni ny mpitarika ny Tim, Ravalomanana

Nidera sy nankasitraka ny eo anivon’ny Ceni ny filoha nasionalin’ny Tim sady kandidà ben’ny Tanàna, Ravalo­manana Marc, omaly teny Alarobia. “Tena zava-dehibe ary ilaina ny sehatra ifanakalozan-kevitra nokarakarainareo tahaka izao. Vonona handray anjara feno amin’ny fifidianana izahay avy amin’ny fanoherana”, hoy izy. Na izany aza, notakiany ny fandraisana andraikitry ny Ceni sy ny governemanta ary ny fitsarana mahefa mba hampitsahatra ireo tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato. Aoka ny rehetra hanaja lalàna nefa koa tsy hanao fifidianana hanilihana kandidà, araka ny nambarany. “Samy manana finiavana sy fitiavana avokoa ireo mpirotsaka hofidina”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nitaky ny tsy hamilafilana na koa hanasarotana ny fahazoana ny “Certificat de nationalité” sy taratasin-ketra “Régularité fiscale” ny depiote Razafi­manantsoa Hanitra. Tokony havela hirotsaka ireo rehetra manam-piniavana, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, namaly ny tsikeran’ny HVM, Rakotovao Rivo, ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana, Andriantsito­haina Naina, tamin’izao fifanakalozan-kevitra izao ary nilaza fa tsy voatery ho ny kandidàm-panjakana ihany no mampiasa ny olom-panjakana eny ifotony. “Manao izany koa ny avy amin’ny fanoherana raha ny zava-niseho tamin’ny fifidianana farany teo”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: