Hanamafy ny fahaiza-manaony : Malagasy 14 hianatra sy hiasa any Japon

Hanainga, anio, ny ampahany amin’ireo Malagasy 14 mianadahy nisitraka vatsim-pianarana any Japon, raha amin’ny herinandro ho avy kosa ny ampahany manaraka no hiala eto an-tanindrazana. Ny dimy amin’izy ireo no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana, ny Kolontsaina, ny Fanatanjanhantena, ny Sian­sa ary ny Teknolojia japoney ka ny efatra hianatra momba ny teny sy ny kolontsaina japoney eny anivon’ny oniversite any an-toerana raha hanaraka fiofanana ho mpampianatra kosa ny iray hafa.

Ankoatra azy ireo, handalina ny teny japoney mandritra ny valo volana any Japon ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny ministeran’ny Rahara­ham-bahiny malagasy. Fiofa­na­na avy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Japo­ney antsoina hoe «Japanese-Language Program for Foreign Service Officers and Public Officials».
Fampandrosoana
Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny Jica ka nanolotra vatsim-pianarana ho an’ireo Malagasy dimy hafa. Ny iray avy amin’ny fandaharanasa African Business Education for Youth (ABE Initiative), ny roa kosa amin’ny alalan’ny fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana ny maha olona ao anatin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany (Kizuna) ary roa hafa avy amin’ny fandaharanasa SDGs Global Leader.
Ankilany, tanora miisa telo no hiasa mandritra ny dimy taona any Japon amina orinasa Japoney mpisehatra eo amin’ny famokarana. «Tan­jona ny hiverenan’izy ireo eto Madagasikara mba hizarany ny traikefa sy ny fahaiza-ma­na­ony ho an’ny fampandroso­a­na ny firenena», hoy ny ma­so­ivohon’i Japon, Abe Koji, omaly, nandritra ny lanonana ho fanomezam-boninahitra azy 14 mianadahy, teny Ivandry.

Henintsoa Hani

Partager sur: