Nanome fanampiana ara-bola ho an’ireo olona manana fahasembanana sy sahirana ny “groupe axian”, omaly, tetsy Andraharo. Nisitraka ny tolotra ireo olona manana fahasembanana sy sahirana monina eto Antananarivo sy ny manodidina. “Nanokana fotoana kosa izahay androany mba hahafahana miresaka momba ny fahasahiranana misy eo amin’ireo olona manana fahasembanana ireo”, hoy ny community relation manager ny groupe axian, Razanamanantsoa Jessica. Hahafantarana ny fomba ampiasan’izy ireo ny fanampiana izay omena azy. Hahalalana ny hetaheta sy ny mbola ilain’izy ireo ihany koa. Nambarany fa vola no omena ireo mpisitraka satria samy manana ny ilany izany avy ireo olona manana fahasembanana sy sahirana ireo. Mety ho natokana hikarakarana ny ara-pahasalamana, handovana saram-pianarana, hofan-trano ary hikarakarana ny fiainana andavanandro mihitsy izany. Tsy voafaritra mazava ny vola omena ny tsirairay fa arakaraka ny zava-mitranga eo amin’ny fiaianany sy ny olana misy eo aminy no mampitombo na mampihena izany.
Nanomboka ny taona 2021 ny hetsika nataon’ny fondation Axian eto an-toerana. « Niainga tamin’ny olona 23 manana fahasembanana sy sahirana izany ary efa mahatratra 70 mahery ireo mpisitraka amin’izao fotoana izao, indrindra ny zaza», hoy hatrany izy. Nisy ny fidinana ifotony teny anivon’ny fiarahamonina talohan’ny fizarana. Tanjona ny hahafahana mamantatra ny tena fiainan’ireo olona manana fahasembanana sy sahirana ireo.
Mino