Saika namoy ny ainy ity raim-pianakaviana voatsatok’antsy ity. Nandritra ny lanonam-pianakaviana no niseho ny tranga tao Bezomo Maroseranana, afakomaly. Voatsatok’antsy teo amin’ny masony izy…
Nandriaka indray ny ra tao amina lanonam-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Bezomo kaominina ambanivohitr’i Maroseranana, afakomaly vao maraina. Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny masony ny raim-pianakaviana iray 56 taona. Lehilahy iray efa manana lonilony aminy no tompon’antoka tamin’izao vono sy ratra niniana natao izao. Voalaza fa mamo ilay nahavanon-doza nandritra ity lanonana ity ka nila ady tamin’ilay raim-pianakaviana niharam-boina. Tsy nisalasala izy namoaka antsy ka notsindroniny teo amin’ny masony. Vokany, naratra mafy ilay niharam-boina ka nentina haingana namonjy hopitaly ao Maroseranana. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, mamo ilay nahavanon-doza sady efa nisy olana hatrany teo amin’izy roa lahy ireto.
Manamafy fisafoana ny zandary…
Niandry kendry tohana tamin’ity raharaha ity izy ka nahavita izao fihetsika mamoafady izao. Lasa nitsoaka avy hatrany izy rehefa nahavita ny asa ratsiny ka tsy mbola hita hatramin’ny omaly. Nandray ny andraikiny ny andrimasom-pokolona teo an-tanàna niaraka tamin’ny zandary nanao ny fikarohana. Nanamafy ny fisafoana toy ny fanaony mahazatra koa ny zandary ao an-toerana miampy ireo avy any Toamasina noho ny firongatry ny asan-dahalo amin’ity kaominina ity. Ao anatin’ny lanonam-pianakaviana Tsaboraha rahateo iny faritra Atsinanana iny amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy izany indrindra ireo mila ady mandritra izany. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fikarohana ataon’ny zandary amin’ity raharaha vonoan’olona niniana natao ity.
J.C